4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Masoko manganohano - Kalokalo masina

masoko manganohano

nitomany feno rano

noho ny helok’ efa vita

dia nitony raha nahita

masonao ry be fiantra

ry Mpamonjy ny mahantra

o! voavotrao ’lay very

ry fitiavana mahery



tanako nangadihady

nisarangotra nitady

fanavotana sy vonjy

f’ efa resy ka nilonjy

dia noraisinao ry Tompo

na dia tanana maloto

o! voavotrao ’lay very

ry fitiavana mahery



foko tena fahavalo

nefa resy ka nimalo

raha nifona fa naditra

hitanao nipitrapitra

babo tsy afaka ho aiza

’zao noraisina ho sakaiza

o! voavotrao ’lay very

ry fitiavana mahery

Partager masoko manganohano

Commenter masoko manganohano

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Kalokalo masina